SocialTsidika

Fanambadiana: Inona avy ny taratasy ilaina raha hisoratra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy?

Tsy vitsy ireo tonga eny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao mikarakara fisoratam-panambadiana. Fotoanan’ny Mariazy rahateo amin’izao.

Mila aterina 10 andro mialoha ny antotan-taratasy rehetra raha akaiky ny toerana nahaterahan’ny mpivady. 15 andro ksoa raha tany amin’ny faritra hafa na avy lavitra. « Mila ny kopia lava any amin’ny toerana nahaterahana, eo ihany koa ny fanamarinam-ponenana sy ny fanamarinana maha mpitovo. Ilaina ihany koa ny karapanondrom-pirenen’ny mpivady sy ny an’ireo vavolombelona. Misy hajia (timbre) miisa 4 ihany kao miampy valopy efatra miaraka amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely ilafy. « Misy tokoa ny vola aloa amin’izany fisoratana izany. Raha Alakamisy ny andro hanaovana ny fisoratana dia 20 000 Ariary. Raha andavan’andro sy sabotsy kosa dia 30 000 Ariary » hoy hatrany izy ireo.

Tsara foana ny manatona ny tompon’andraikitra raha misy fanontaniana mampisalasala.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire